<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><author>P.P. Bliss</author>
<lyrics>[V1]
 Tsy misy miadana ka afa-po
 Izay monina eto an-tany ;
 Fa izay tia sy mino ny Tompo
 Jeso
 No hahazo ny soa tsy lany.
 Mba irio, mba irio
 Ny hananana an'i Jeso.

[V2]
 Raha misy mahory mahazo etý,
 Jeso no hanala izany ;
 Tsarovy ny avotra tao Kalvary
 Fa nalatsany tany ny rany,
 Mba irio, sns.

[V3]
 Izaho maniry hanaraka Anao,
 Ry Tompo Mpanafaka ota !
 Fa fantatro tsara hatramin'izao
 Ny fitiavanao ahy mpanota
 Mba irio, sns.</lyrics>
<title>Tsy misy miadana ka afa-po FFPM506</title>
<hymn_number>506</hymn_number>
</song>